​ ​ ​ ​Lohahevitra 1 :  NY ANJARA ASAN’NY TENY (Jery todika « rappel »)

Ny anjara asan’ny teny dia ny asa sahanin’ireo teny tsirairay na andian-teny mandrafitra ny fehezanteny iray izay mety ho :

·         EM, L, RF, ZP;

·         R.EM sy R.L na Z.EM sy Z.L.

​ ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​A. NY ANJARA ASA FOTOTRA:

Famaritana

Ny anjara asa fototra ao amin’ny fehezanteny iray dia ny:

¨      EM: enti-milaza sy

¨      L: Lazaina,

​ ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​I. Ny enti-milaza : EM

1. Famaritana ny enti-milaza :

Ny enti-milaza « EM » dia teny entina manambara asa, fihetsika na toe-javatra ao anaty fehezanteny

Ohatra: 

Manomana  fanadinana izy

     EM

Mihatsaravelatsihy     ny mpivavaka maro

          EM

2. Ny fomba ahafantarana ny enti-milaza :

Ny EM dia ny teny mamaly ny fanontaniana hoe : Maninona ? Inona ?  Manao ahoana ?

Ohatra : Maninona izy ?                               =>  manomana (fanadinana) : EM

              Manao ahoana ny mpivavaka ?      =>  mihatsaravelatsihy : EM

3. Ny karazana enti-milaza :

Misy karazany telo ny EM :

¨      Ny EM teny tokana :

Ohatra : Mahantra ny firenentsika.

¨      Ny EM andian-teny : teny roa na mihotra ilazana zavatra iray.

Ohatra : Lasa adalan’ ny jamala i Setra.

¨      Ny EM teny mifampitohy : Teny roa ahitana Mpampitohy : sy, ary, sady

Ohatra : Mifoka sady migoka ny mpanakanto.

  ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​II. Ny lazaina : L

1. Famaritana ny lazaina :

Ny Lazaina dia olona na biby na zavatra resahina ao anaty fehezanteny 

Fotsy volo ilay zaza

                             L

Mahantra  ny firenentsika

                                   L

2. Fomba hamantarana ny lazaina :

Ny L dia ny teny mamaly ny fanontaniana hoe : iza no ? (raha olona) ; Inona no ? (Raha zavatra na biby)

Ohatra :     Iza no fotsy volo ?             =>  Ilay zaza : L

                  Inona no mahantra ?          =>  ny firenentsika : L

​ ​ ​ ​ ​ ​ ​B. ANJARA ASA FAMENO :

Famaritana ny fameno

Teny ankoatry ny EM sy L, izay mameno ny hevitra ao anaty fehezanteny ka mety ho RF na ZP.

Hiatrika

fanadinana

BEPC

i Abdala

amin’ity taona ity.

EM

RF

ZP

L

ZP

 

​ ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​I. Ny  Renifameno : RF

1. Famaritana :

Mikitika   finday   ilay mpampianatra

                     RF

Ny renifameno « RF » dia teny manazava na mameno ny hevitry ny EM eo alohany. Tsy azo esorina ao anaty fehezanteny mba hampazava tsara ilay fehezanteny

Fanamarihana: raha vao esorina ilay RF dia tsy mazava ilay fehezanteny.

Ohatra:  Mikitika ilay mpampianatra. ( tsy mazava)

 2. Fomba hamantarana ny renifameno RF

-        Mipetraka eo ankilan’ny EM mandrakariva.

-       Azo avadika ho L hatrany.

Ohatra:    RF => L :

Kitihin’   ilay mampianatra   ny finday.

                                                               L

​ ​ ​ ​ ​ ​ ​II. Ny zana-pameno : ZP

1. Famaritana :

Ny zana-pameno « ZP » dia teny na andiateny mameno ny hevitry ny L na RF. Azo esorina ao anaty fehezanteny ny ZP ary tsisy fiantraikany mihitsy.  

Ohatra :

Nisaotra

an’ilay mpampianatra

Malagasy

ireo mpianatra

afa-panadinana

EM

RF

ZP

L

ZP

2. Fanamarihana : 

azo esorina tsara ao anaty fehezanteny

Nisaotra

an’ilay mpampianatra

Malagasy

ireo mpianatra

afa-panadinana

EM

RF

ZP

L

ZP


Nisaotra

an’ilay mpampianatra

ireo mpianatra

EM

RF

L

 ( ( Mazava tsara sy feno ny hevitra na noesorina aza ireo ZP )

 

​ ​ ​ ​ ​ ​ ​D. NY R.EM sy R.L na Z.EM sy Z.L

-          R.EM : reny enti-milaza

-          R.L: renilazaina

-          Z.EM : zanaka enti-milaza

-          Z.L : zanaka lazaina

 Ny fehezanteny ahitana ireo anjara asa ireo dia fehezanteny ahitana mpampiankina “fa”, “raha”, sns….izay manelanelana ny R.EM sy R.L

Tsapa     fa

mikoroso fahana    ny fampianarana    ankehitriny

Z.EM                               Z.L                     ZP

                                        R.L

R.EM

Tsapa

 fa

mikoroso fahana

ny fampianarana

ankehitriny

R.EM

mpampiankina

Z.EM

Z.L

ZP

                                                                                          R.L

                                                                                   


Tsara

 raha

henoina

ilay anatra.

R.EM

mpampiankina

Z.EM

Z.L

                                                                                              R.L

 


​ ​ ​ ​ ​ ​ ​ ​FANAZARAN-TENA

1.      Omeo ny anjara asan’ny teny tsirairay misy tsipika eo ambaniny amin’ireto fehezanteny manaraka ireto

2.      Avadiho ho L ny RF ao amin’ny F2 sy F3

F1 : Mampidi-doza       ho an’ny fahasalamana        ny jamala.

F2 : Manampy     ny tanora     amin’ny fianarana    ny tsilo saina artifisialy.

F3 : Mahafaly    azy    ny miresaka     amin’ireo zaza      tia karokaroka.

F4 :  Hitako   fa    manampy   ny mpianatra      ny fianarana    ampitain-davitra

Évaluation
0 0

Il n'y a aucune réaction pour le moment.

pour être le premier à laisser un commentaire.